RSE : Manana ny politikany amin’izany ny orinasa Star Madagasikara
Maro ny orinasaanana ny tanjony sy ireo karazana olona ampiasany. Toy izany ny orinasa Star Madagasikara, izay manana toerana maro manerana ny Nosy. Noho ny fahatsapan’ny orinasa rehetra fa manana anjara amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny olona eo amin’ny firenena izay misy azy ny orinasa iray dia manao izany ihany koa ity orinasa ity. Miasa ho an’ny vahoaka izy na any lafiny ara-pahasalamana, na ny ara-tosialy ary ao ihany koa ny ara-tontolo iainana.
« Manao ny hetsika RSE izahay noho ny fahatsapanay fa mbola afaka mandroso tsara i Madaagsikara ary izany dia miantomboka amin’ny zavatra sy olona madinika. Ny tanjonay amin’izany dia tafiditra amin’ny tanjon’ny fanjakana mahakasika ny fampandrosoana lovain-jafy. Novolavoaliana ary tanterahina amin’ny fomba fijery mihabo ziany mba ahahzoan’ny olona rehetra izay anjara tandrify azy tsirairay”, hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny orinasa STAR.
« Efa maro ny hetsika natao; mizarazara izany ary ahitana izany avokoa ny lafi-piainana rehetra. Raha ny fanabeazana izao dia manampy ireo sahirana izahay hahafahany mandrato fianarana ary ihany koa manome fampiofanana ireo mpiasa ato aminay. Amin’ny alfiny ara-tsosialy ksoa dia asa hataonay ny manome vahaolana maharitra hahafahan’ireo mpiara miombon’antoka mampitombo sanda hatrany ny fiharian-karena izay hataony. Miasa ho amin’ny tontolo iainana sy fahasalamana ho an’ny rehetra ihany koa ny orinasa toy ny tetik’asa “Kopak’elatra” ohatra, izay fanangonana ny tavoahangy plastika mba hahafahana manodina azy ireny », hoy hatrany ny fanazavana.
Ny fahatsapana ny anjara andraikitra eo amin’ny mpiara-belona dia lasa fepetra fototra amin’ny fanatanterahana ny asa amin’ny andavan’andro ny RSE. Mihoatra noho ny maha-fanampiana azy, dia fitaovana lehibe hitondrana ny anjara biriky amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo mpiara-belona izany. Hahafahana manatratra ny tanjona iombonana izay mahakasika ny famapndrosoana lovain-jafy dia tokony handray anjara amin’ny RSE avokoa ny orinasa sy ny olom-pirenena rehetra.
Miora Raharisolo
