Fampinonoan-dreny : Hametrahana toerana natokana ho amin’izany eny amin’ny orinasa afaka haba
Zon’ny zaza ary adidin’ny reny ny mampinono ny zanany tsy miato mandritra ny enim-bolana voalohany haterahan’ny zaza. 45% amin’ny Reny ihany anefa no mampihatra izany. Miantoka ny fahasalaman’ny reny sy zaza anefa izany ary tsy tokony homena sakafo hafa ankoatra ny nono ny zaza mandritra io enim-bolana. Nosokafana teny Talata ny Volonondry ny herinanadron’ny fampinonoan-dreny ary nentanina tamin’izany ireo orinasa rehetra mba hametraka toerana voatokana hampinonoan’ny Reny mitaiza kely.
« Mampiasa karazan’olona maro sy amin’ny salan-taona samihafa ny orinasa afaka haba. Misy amin’izy ireny no vehivavy mitaiza kely ary ny ankamaroan’ireo orinasa dia tsy manome sitraka ireo Reny hampinono ny zanany. Zo sady miantoka ny fahasalamana ny fampinonoana ka izay no antony nanentanana ny orinasa tsirairay mba hametraka izany toerana fampinonoana izany hahafahan’ny zaza misitraka sahady ny zony », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
« Somary sahirana ihany tamin’izaho niteraka ny zanako voalohany satria ny asa tsy maintsy vitaina moa ny toerana sy ny fotoana hampinonoana ihany koa tsy nisy. Tsapako ny fahasahiranana dia tokony hisitraka izany ireo tanora maro aty aoriana ireo; endrika fandrosoana ihany koa izany », hoy Sitraka, mpiasa taloha tamin’ny orinasa afaka haba iray.
Manambara ny Organisation Mondiale de la Santé fa ilaina izany fampinonoana izany mandritra ny enim-bolana voalohany fara faharatsiny. Mila haraha-maso araka izany ny fisitrahana izany na tsy eny amin’ny orinasa afaka haba aza fa eny anivon’ny orinasa rehetra.
Miora Raharisolo
