ActualitésTsidika

Fivoarana  : Te hiasa amin’ny toerana tahaka ny ahoana aho ?

Raha te hahita ny lalana tokony ho diavinao ianao dia azonao atao ny mametraka izany fanontaniana izany amin’ny tenanao. Na mety efa nametraka izany fanontaniana izany ianao fa ilay fomba hahatraranao izay valim-panontaniana izay no tsy hitanao. Mametra ny lalana tokony ho diavinao dieny ianao mbola vao hanomboka hitady ny manavanana sy ny mampiavaka ny tsirairay izany.

« Rehefa voavaly izany fanontaniana izany dia hitanao fa aiza no tokony lalana alehanao raha te hanatratra tanjona iray ianao. Mitarika ny olona hahita ny lalany no ataonay amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy izany », hoy i Ny Raitra, tompon’andraikitra ao amin’ny K4M.

« Mpandraharaha ny tenako, tamin’ny voalohany aho niasa tamin’ny orinasa dia tsy mahazo aina mihitsy amin’ilay baikoina sy tenenina foana hoe izao hatao; nanapaka hevitra aho hangataka toro hevitra hoe sao mahasoa ahy kokoa ny miasa tena. Raha tsy nahazo toro lalana anefa dia mety mbola tavela tao amin’ilay orinasa foana dia mety tsy toy izao ny fiainako satria miferin’aina foana », hoy i Haingo, mpandraharaha amin’ny tontolon’ny Internet.

Raha te hahazo ny toro lalana amin’ny valin’izay fanontaniana izay ianao dia eny amin’ny Plaza ny alatsinainy 14 novambra izao miaraka amin’ny K’s 4 Mindshift izay fikambanana olona mampihatra ny psychologie amin’ny fiainana, fa hanoro lalana sy hanome toro hevitra anao izy.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire