Fanadiovana : Nasiam-panamboarana ny milina mpamoaka rano maloto eto Antananarivo
Dépêche 09 novembre, 14h, Firaha-miasa amin’ny Union Européenne no nahatanterahana ity asa ity izay ahafahana manampy tosika ny famoahana ny rano maloto ho haingana kokoa eto Antananarivo. Nihena ho 30 minitra dia efa tafavoaka daholo ny rano miandrona eto antanan-dehibe rehefa fotoan’ny fahavaratra tahaka izao ary nihena 13cm ny hahavon’ny rano. Eny 67ha no ahita ity milina ity izao nohavaozina izao ka ny tanjona lehibe indrindra amin’izany asa izany dia hampihenana ny mety hisian’ny tundra-drano sy ho fanadiovana ny tanàna. Anisan’ny antony nanaovana izao fanavaozna izao ihany koa ny fanentanana ny olona hampiasa ara-dalana sy hitandro ny fahadiovana eo amin’ny faritra rehetra misy azy.
