France : Nampiasa « drone » ireo voafonja nanafarana entana nakao amin’ny fonja
Tsy lany hevitra ny voafonja ao France amin’ny fanafarana entana tsy ara-dalàna ao amin’ny faritrin’ny fonja. Tato ho tao dia nirongatra indray ny fampiasana « drone » hanatanterahana izany. Efa nahitana izany tranga izany tao Fresnes, Brest ary tao amin’ny fonjan’i Sequedin.
Tamin’ny volana oktobra teo dia rongony sy finday no notanterin’ireo voafonja tao Fresnes tamin’ny « drone ». Nipetraka tao amin’ny tokontanin’ny fonja tamin’ny andro alina ilay fitaovana. Ny alarobia teo kosa dia tratra nohon’ny fahalavoany, nohon’ny fitsokan’ny rivotra nahery loatra ny « drone » tao Brest. Ny marain’ny zoma teo kosa no nahatratrana ny « drone » tao amin’ny fonjan’i Sequedin.
