ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Efa nivoaka ny lisitr’ireo hisora-panambadiana

Efa nivoaka peta-drindrina ao amin’ny biraon’ny kaominina, Ankadikely Ilafy, ny fiandohan’ny herinandro teo ny lisitr’ireo nangataka hisora-panambadiana ao an-toerana. Azon’ny rehetra jerena ny mahakasikaizany, araka ny volaza, ary izay manana fanamarihana ny maha mety na tsy ny fanatanterahana aram-panjakana izany dia afaka manatona ety anivon’ny biraon’ny kaominina.

« Ho fanajana ny lalàna velona mifehy ny fisoratam-panambadiana dia atao petadrindrina ety anivon’ny biraon’ny kaominina ny lisitr’ireo manam-pikasàna hiroso amin’izany alohan’ny hanantanterahana ny fanaovan-tsonia » hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Dingana goavana lalovana eo amin’ny mahaolona ny fanambadiana. Maro ny olana sedraina ao anatin’izany. Ho an’ireo tanora miroso amin’izany, ilaina ny fahavonana sy ny fahaleovan-tena eo amin’ny lafin’ny rehetra sy ny filàna isan-karazany hahafahana miatrika izany atao hoe toka-trano mba tsy hianteherana amin’ireo ray amandreny intsony » hoy i Samuel, mpanabe.

Maro ireo mikasa hiroso amin’ny fanambadiana amin’izao fotona izao. Ilaina ny dinika sy ny fanadihadiana lalina mialoha ny tena hirosoana amin’izany. Tompon’andraikitra avokoa na ny ray amandreny niteraka na ny ray ama-dreny ara-panahy na ny eny anivon’ny fanjakana amin’ny fananarana mba hisorohana ny fisarahana na ny olana sedraina ao anatin’izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire