Nosy Be : Toerana iray natao hisarihana mpizaha tany maro ho aty Madagasikara
Nanatanteraka fitsidihana tany Nosy Be ny filoham-pirenena ny faran’ny herinandro teo ary nahatsapa tamin’izany fa zava-dehibe ny fananana ity toerana ity hampiakarana ny isan’ireo mpizahatany ho tonga eto Madagasikara. Manana toerana sy zavatra maro mazhasarika i Nosy be ka afaka mifaninana tsara amin’ny Seychelles sy i Maurice.
« Ho atao eto an-toerana isan-taona ny “festival Marokintana” izay hanomezan-danja ireo “requin baleine”. Ny Marokintana moa tsy inona fa anarana Malagasy nomena ireo “requin baleine” ireo ihany. Ireto karazana biby ireto izay mbola nahaliana olona maro noho ny angezany ary karazana biby tsy misy raha tsy eto Madagasikara. Homena lanja ireo biby ireo hahafahana misintona mpizahatany maro », hoy ny fanazavan’ny Filoham-pirenena Malagasy.
« Taorian’ny covid-19 dia efa mba misokatsokatra ny asa amin’izao ary ilaina mihitsy ny fampiroboroboana ity festival ity. Ireo mpizahatany ihany koa manko amin’izao efa mitady zavatra miavaka amin’ny mahazatra foana ary fomba iray natao hisintomana azy ireo ity festival ity hahafahana ihany koa mampiseho ny mampiavaka antsika Malagasy amin’ny sehatry ny fizahantany », hoy i Rodolphe, mpitari-dia amin’ny fizahantany andranomasina any Nosy Be.
Toe-karena iray ahafahana mampiakatra ny fahefa-mividin’ny Malagasy an’arivony ny fizahantany. I Madagasikara rahateo mbola manan-karena raha sehatry ny fizahantany. Tokony hatao fandaharam-pianarana mihitsy ny mahakasika izany fizahantany izany mba ahafahan’ny tsirairay manana andraikitra amin’izany.
Miora Raharisolo
