Dépêches

Volavolan-dalàna mahakasika ny teti-bola 2023 : Atolotra eo amin’ireo solombavam-bahoaka ny 25 novambra izao

Dépêche 03 novembre, 12h30, Taorian’ny filan-kevitry ny minisitra herinandro maromaro lasa izay dia voaresaka nandritra izany ireo fanovana mahakasika ny teti-bolam-panjakana ho an’ny taona 2023. Nasiam-panitsiana avokoa na ny resaka fampianarana, na ny resaka varotra sy fanafarana entana, na ny resaka fitsaboana sy ny marto hafa. Hatolotra eo anivon’ny parlemantera izany ny 25 novambra izao ka ny Minisitry ny Toe-karena sy ny indostria no hanazava azy eo anoloan’ireo solombavam-bahoaka isan-tsokajiny. Aorian’izay no hanatanterahana ny fampiharana azy rehefa avy manaiky avokoa ireo avy eo amin’ny parlemantera.

Laisser un commentaire