ActualitésTatitra

Equateur : Faritra roa nampidirina hamehana

Manoloana ny herisetra haterakin’ny andian-jiolahy (gang) mpanondrana rongony ao Equateur dia nampidirin’ny filoham-pirenena ao an-toerana anaty hamehana ny faritanin’i Guayas sy Esmeraldas. Nankatoavin’ny lalàm-panorenana io fanampahan-kevitrin’ny filoha io ary niantso ny tafika handray an-tanana ny korontana ao amin’ireo toerana ireo izy ireo.

Marihana fa talohan’io fanampahan-kevitrin’ny filoha io dia nisehoana fifandonana nahafaty polisy 5 tao Guayaquil, foibe ara-toekaren’ny firenena ny talata teo. Raha ny fanazavan’ny minisitrin’ny atitany ao Equateur, Juan Zapata dia maty voatifitra ny roa tamin’ireo ary maty notafihina ny 3.

Laisser un commentaire