Anosy Avaratra : Nisy ny fifanakalozana sy fifampiazarana traik’efa niarahana tamin’ireo fikambanana avy any Mahajanga
Nisy ny fifanakalozana sy fifampizarana traikefa ary toro-hevitra niarahan’ny kaominina Anosy Avaratra sy ireo avy ao amin’ny fikambanana Mpitantana ny rano ao an-toerana tamin‘ireo fikambanana misehatra amin’ny rano avy any Mahajanga, ny fiandohan’ny herinandro teo. Nanatrika izany, araka ny voalaza, ny talen’ny WSUP eto Madagasikara. Nizara ny fahaiza-mitantana tamin’izany ihany koa ny fikolan’ny AUE Marina, izay mitantana ny rano ao amin’ny fokontany Antanimalandy.
« Ilaina tokoa ny fifampizarana traik’efa amin’ny sehatra iray, indrindra fa amin’ny rano tahaka izao. Anisan’ny manampy betsaka ireo tomponandraikitra ety ifotony ny fitantanana ireo teknina sy torohevitra nifampizarana tao anatin’izany » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Ny fampiharana ireo traikefa nifampizarana no tena zava-dehibe ary tokony ho hita taratra eny amin’ny asa atao eny anivon’ny kaominina izany. Anisan’ny miteraka fampivoarana sy fanatsarana ny lafin’ny fitantanana no fototra noresahana nandritra izany ka tokony ho hita mivaingana amin’ny asa atao » hoy ireo mpikambana ao anatin’ny AUE.
Ao anatin’ny fifampizarana sy fifanakalozana isan-karazany no hahafahana mampitombo ny fahalalana sy manatsara ny fomba fiasa amin’ny sehatra isan-karazany. Ilaina anefa ny fanatanterahana sy fampiharana izany mba tsy ho lasa lesona fotsiny.
Manitra Ramanantsoa
