SocialTsidika

Manery lalana ireo mpivarotra eny amoron-dalana.

Ambara ombieny ombieny fa ny arabe ho an’ny fiara, ny sisin-dalana na ny « trottoir » ho an’ny mpandeha tongotra ary ny tsena ho an’ny mpivarotra. Tsy toy izany anefa ny zava-misy eto antanàna noho ny fahateren’ny toerana, indrindra ny tsena kanefa ny mpivarotra mameno tanàna noho ny tsy fahampian’ny asa. Hany ka lasa ny arabe ho an’ny fiara sy mpandeha tongotra ary teraka manaraka izany ny lozam-pifamoivoizana. Mameno ny sisin-dalana loatra tokoa mantsy ireo mpivarotra. Nandray vahaolana amin’izany ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, notokanana ny 25 febroary ny tsena vaovao etsy Behoririka izay ahitana rihana telo. Mahazaka mpivarotra 800 eo ho eo ity tsena ity ary ireo mpivarotra eny amoron-dalan’i Soarano, Behoririka sy Andravoahangy iny aloha no voalohan-daharana. Misy ny hofan-tsena 500 Ar isanandro hoy ny Ben’ny tananan’Antananarivo Renivohitra mba hanamora ny fandaminana sy ny ho fikojana io tsena io. Fanombohana ihany izy ity fa mbola betsaka ireo tetik’asa ho avy toy ny etsy Anosy sy 67 Ha. Manery lalàna loatra ny mpivarotra ka na ny mpiantsena aza sahirana, hahamaha izany olana izany tokoa ve ity tetik’asa ity sa hampitombo isa ny mpivarotra indray ka ny eo miala ny eo tonga ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire