France : Tamba-jotra lehibe mpanondrana rongony no rava
Tamba-jotra lehibe mpanondrana rongony niasa teo anelanelan’ny Antilles sy France no ravan’ny manam-pahefana raha ny tatitrin’ny minisitry ny atitany tao an-toerana Gérald Darmanin. Olona 15 no voasambotra nandritra izany, 6 tao Pointe-à-Pitre ary 9 tao Alsace. « cocaïne » nilanja 334 kg sy vola 800 000 euros ary fitaovam-piadiana maro ihany koa no tratra nandritra izany.
Raha ny antsipiriany nomen’ny tompon’andraikitrin’ny raharaha dia fanaraha-maso fanateran’entana teo anelanelan’i Guadeloupe sy Strasbourg no nahafahana nisambotra ireo mpanondrana rongony ireo. Mitentina 1,4 tapitrisa euros mahery ei kosa ny sandan’ireo entana nogiazina.
