ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nizotra araka ny lamina napetraka ny hetsika fanaovam-baksiny ho an’ny saka sy ny alika

Nizotra araka ny fandaminana izay napetraky ny avy ao amin’ny kaominina ny fanatontosana ny hetsika fanaovana ny vaksiny miaro amin’ny haromontana (antirabique) ho an’ny saka sy ny alika, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, izay nanomboka tamin’ny asabotsy 29 oktobra lasa teo, manerana ireo fokontany ao an-toerana. Mbola mitohy ny fisoratana anarana ho an’ireo izay mbola te hisitraka izany araka ny voalaza ary maimaim-poana hatrany ny hetsika.

« Tsy tokony ataon’ny mpiompy ambanin-javatra ny fanaovana vaksiny ireny biby taizana ao an-trano ireny. Anisan’ny miantoka ny fahasalaman’ny rehetra ny fanatontosana izany. Raha sanatria manaikitra olona tampoka ireo biby, azo antoka ny tsy hisehoan’ny haromontana raha vita vaksiny ny biby. Ary tokony tohizana hatrany izay vaksiny izay ary ampiasaina ilay karinem-bakisiny » hoy ireo mpitsabo biby.

« Isaorana ny kaominina nikarakara ny hetsika tahaka izao. Anisan’ny manampy ny mponina tokoa satria misy ireo mpiompy tsy mahatsiaro na tsy mahafantatra akory hoe tokony hisitraka vaksiny ireny biby ireny kanefa dia maro ny mpiompy alika sy saka ety an-tanàna ary manenjika ireo mpandalo » hoy i Nandrianina, mponina ao Ambohimanambola.

Marihina fa ny asabotsy ho avy izao no hiafarana ny hetsika. Ny fokontany Ambohipeno no hamaranana izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire