Fizahan-tany : Vahaolana maro no natolotra ahafahana manintona mpizaha tany maro
Vinavina ny hahatratra mpizaha tany avo roa heny noho ny amin’izao fotoana izao amin’ny taona 2028. Maro ireo hevitra naroso mba ahatratararana izany, toy ny fananganana fotodrafitr’asa fandraisam-bahiny manara-penitra, eo ihany koa ny resaka fitaterana. Nandritra ny hetsika « Forum des investisseurs pour l’émergence de Madagascar » no nampahafantarana ireo sehatra rehetra mbola afaka hidirana ho an’ireo mpandraharaha amin’izany. Nasiam-panitsiana ihany koa ny hetra amin’izany mba ahafahana manatratra io tanjona io.
« Mahaliana ny olona, na ankizy na lehibe, ireny “animaux d’attraction” ireny. Raha mifantoka amin’ilay sarimiaina Madagascar ahitana zebra sy zirafy ary liona iny isika ka hampiainina izany ny olona dia ahazo mpizahatany maro isika. Miantso ireo mpandraharaha aho hanafatra izany mba ho tombontsoan’ny Malagasy rehetra sy entina hampandrosoana an’ny Madagasikara », hoy i Andry Rajoelina.
« Raha te hampandroso an’ny Madagasikara dia tetik’asa amin’ny sehatry ny fizahantany no himasoana fa io no mbola malalaka eto. Ankoatran’ireo “animaux d’attraction” ireo dia betsaka no azo atao. Anisan’izany ny fananganana hotely misalotra kintana 5 maro mba hahatamana ireo mpizahatany aty », hoy hatrany ny fanazavana.
Fotoana maromaro izay dia nampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany teto Madagasikara noho ny fahitana fa manana tombony isika amin’ny natiora sy ny zava-misy eo aminy. Mialohan’ny mety hatongavan’ireo biby ireo dia azon’ireo mpizahatany atao tsara ny misitraka ireo trozona sy ireo biby maro isan-karazany misy eto. Sehatra iray ihany koa mety hanampy ny tsirairay amin’ny fidiram-bola izy io saingy mety tsy ny rehetra izay mila asa no mety ahazo asa amin’izany. Tokony tsy hatao ambakan’izany ihany koa noho izany ny sehatra hafa.
Miora Raharisolo
