Dépêches

Fotodrafitr’asa: Manomboka ny fanarenana ny lalam-pirenena RN2 – RN4 – RN7

Dépêche 31 octobre, 15h, Tao anatin’ny taona maro izay dia nahitana fahasimbana betsaka iny lalam-pirenena mampitohy an’ny Antananarivo – Toamasina, sy Antananarivo – Mahajanga ary Antananarivo – Fianarantsoa iny. Misy ihany ireo ezaka fanamboarana saingy vonjy maika ihany izany. Mampitaraina ny vahoaka mpampiasa azy izany lalana izany raha tsy hiteny afatsy Antananarivo – Antsirabe fotsiny izay efa zary lasa adiny dimy no hanaovana azy raha adiny telo sy sasany izany taloha noho ny faharatsian-dalana. Harenina ny lalana ary ny lalana iray manontolo mihitsy no hasiam-panamboarana fa tsy hatao vonjy maika intsony fotsiny. 

Laisser un commentaire