Fampianarana: Mitohy ny tetik’asa “back to school and learning” any amin’ny faritra Atsimo
Dépêche 31 octobre, 14h, Tetikasan’ny UNICEF Madagascar ny “back to school and learning” ary mbola mitohy ny fanatanterahana izany any amin’ny faritra Atsimo. Hananganana foto-drafitr’asa mahakasika ny fampianarana noho izany any amin’ny faritra atsimo. Ao amin’ny tanànan’Antavy Avaratra no hananganana ity trano fianarana ho amin’ny sekoly ambaratonga faharoa ity. Vinavinaina ho vita alohan’ny desambra 2022 ity trano fianaran ity izay ahitana efitrano fianarana miisa 4, efitrano lehibe 1, birao, kianja fanaovana fanatanjahan-tena ary trano fidiovana miisa 2. Hampiarahana amin’ny fitaovana maro samihafa ihany koa izany hahafahan’ny mpianatra mampitombo ny fahaizany.
