Etats-Unis : Niparitaka eran’izao tontolo izao ny herisetra nataon’ireo mpiara-mianatra taminy an’i Javier
Niteraka fahatezeran’olona maro eran’izao tontolo izao ny herisetra (harcèlement) nataon’ireo mpiara-mianatra an’i Javier azy. Tao amin’ny lisea Arvin, Californie no niseho ny tranga ny 21 oktobra teo.
Nohetezan’ireo mpiara-mianatra taminy, nalainy baraka ary nihomezan’izy ireo i Javier. Na dia latsa-dranomaso aza ity farany dia tsy nahasakana ireo zatovo nanohy ny herisetra izany. Raha ny fantatra dia nisy mpanara-maso mpianatra nahita ny tranga saingy tsy nandray fepetra izy ireo.
Niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy maro ny horonantsarin’io herisetra nahazo an’i Javier io. Olona manodidina ny 11 tapitrisa no nahita izany ary maherin’ny 23 000 isa no nizara azy. Maro kosa ireo nanohana an’i Javier manoloana ny tranga anisan’izany ireo olo-malaza toy i Micah Parsons sy Boston Celtics.
