France : Mety higadra 7 taona ilay raim-pianakaviana namono ny mpanolana ny zanany
Nilaza ny mpampanoa lalànan’i Roanne fa mety higadra hatramin’ny 7 taona ilay raim-pianakaviana namono ny mpanolana ny zanany vavy 6 taona. Tsy nanan-jo namely io lehilahy io ilay raim-pianakaviana hoy izy fa tokony namela ny polisy nanao ny asany.
Amin’izao fotoana izao dia misokatra ny fanadihadiana momba io fampidirana am-ponja ilay raim-pianakaviana io. Raha hiverenana ny tranga dia lehilahy 16 taona no niditra tao amin’ny trano fonenan’ny ankohonan’io raim-pianakaviana io manodidina ny 3 maraina ny zoma teo. Nitsambikina teo amin’ny varavarankely ilay tovolahy ary nanao herisetra ara-nofo tamin’ilay zaza 6 taona.
Tsy tao an-trano moa ilay raim-pianakaviana tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga. Namory andrimasom pokonolona kosa ilay raim-pianakaviana ny ampitson’ny tranga. Nandalo teo amin’ny tanàna ilay tovolahy ary nodarohiny tsy nanany hantra tamin’ny daka, bara vy ary tariby elektrika. Dia ho tsininy ve ?
