ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Andrin-jiro ahiana iray ho tapaka, hanaovan’ny mponina antso avo

Andrin-jiro mitondra herinaratra mankao amin’ny fokontany Andranomena, Ankadikely Ilafy no ahitana fahatapahana ary ahiana hitera-doza raha tsy misy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny sehatra misahana izany. Araka ny voalaza, mihamikoroso ho tapaka hatrany ity andrin-jiro ity isan’andro ary efa ela ireo mponina manodidina izany no nitaraina amin’ny tokony handraisana fepetra amin’izany mba hisorohana ny loza samihafa mety haterany.

“Tsy sasatry ny mitaraina na anaty tamabajotran-tserasera mahakasika ity andrin-jiro ity izahay, izay efa hita fa efa miha ratsy hatrany. Tsy mbola nisy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny jirama hatreto kanefa mety hitera-doza izao rehefa kelikely” hoy I Laza, mponina eo amin’ny manodidina.

“Mampitombo ny fahasahiranana miseho sy ny olana raha tsy misy ny fandraisana andraikitra malaky ataon’ny jirama manoloana izao. Mety hisy fiantraikany amin’ny fiainana andavan’andro, indrindra vokatry ny fahatapahan-jiro izao raha tsy misy ny hetsika hataon’ny jirama amin’ny fanoloana na fanamboarana io andrin-jiro io” hoy I Sebastien, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.

Ilaina ny mampandre avy hatrany ireo tomponandraikitra ao anatin’ny kaominina manoloana ny tranga toa izao, indrindra tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fiaraha-mientan’ny mpiara-monina amin’ny fanaovana antso avo sy fampandrenesana mba hisian’ny vahaolana malaky.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire