ActualitésTsidika

Alasora: Nahazo fankasitrahana avy amin’ny ben’ny tanàna ilay mpianatra nahazo ny “Mention très bien” tamin’ny bakalorea teknika

Mpianatra, monina ao amin’ny kaominina Alasora I RABARIJAONA Anthonio, 19 taona. Tovolahy nahazo ny mari-pahaizana “Mention très bien” tamin’ny fanadinana bakalorea teknika farany teo. Noho izay fahaizana sy ezaka nataony, indrindra amin’ny maha zanak’Alasora azy izay, nanolotra fankasitrahana ho azy ny ben’ny tanàna ao an-toerana. Araka ny voalaza, nianatra ary nanaraka ny sampam-panofanana mahakasika ny “Technicien en maintenance electro-technique” ny tenany ary maniry ny ho lasa injeniera amin’izany sehatra izany.

“Anisan’ny mampirosika ny tanora hanao ezaka sy hilofo amin’ny fianarana, hiavaka hatrany ny fijerena akaiky ireo mpianatra mendrika tahaka izao. Ilaina ny fanohanana mba tsy hahatonga ireo mpianatra ireo ho kivy na hahatsiaro tena irery manoloana ny ezaka nataony” hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

“Efa maro ireo seha-piofanana hita mahaliana ny tanora amin’izao fotoana izao, ilaina dia ilaina ny fanohanana izany, indrindra  ny eo amin’ny lafin’ny foto-drafitr’asa sy fampitaovana mba hampivelatra ny sehatr’asa eto amintsika” hoy I Samuel, mpianatra momba ny  siansa sy ny teknolojia.

Mendri-pankasitrahana avokoa ny ezaka hatao amin’ny sehatra rehetra. Ilaina ihany koa anefa ny fanohanana ao anatin’izany, indrindra mba hampisy ezaka sy fifaninana eo amin’ny samy tanora.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire