ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Mampihorohoro ny mponina ny asa ratsy, indrindra fa ny alina

Mampihorohoro ny mponina, indrindra ny eny amin’ny manodidina ny fokontany Ambohimangakely ny asan-jiolahy, indrindra fa ny alina. Araka ny voalaza, in-telo ao anatin’ny herinandro ireo mponina no maheno ireo olon-dratsy manohatra fefy sy miditra anaty tokontany.

“Mamay ny trangana tsy fahandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao, izay hanaovana antso avo amin’ny tomponandraikitra mba hirotsaka an-tsehatra, hijery sy hanara-maso ny zava-misy. Tsy misy azon’ny mponina hitaraina sy hakana vonjy afa-tsy ny mpitandro filaminana ihany” hoy I Lala, mponina ao Ambohimanagakely.

“Misy hatrany ny ezaka izay hataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fampandriana fahalemana sy fanenjehana ireo mpanao asa ratsy. Efa maro ireo olon-dratsy tratra nandritra izany. Ny angatahana amin’ny mponina dia ny fampilazana ety anivon’ny birao na miantso ny laharan-tarobia hahafana manatratra ireo mpanao ratsy na misy tranga hafahafa eny anivon’ny fiaraha-monina” hoy ireo mpitandro filaminana.

Ilaina ny fampilazam-baovao amin’ny mpitandro filaminana raha misy tranga mampiahiahy eny anivon’ny fokontany. ankoatra izay, tokony ho mailo hatrany ny mponina manoloana ny trangana tsy fahandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao. Ilaina ao anatin ‘izany ny fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa ny mponina hahafahana misoroka ny asa ratsy isan-karazany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire