Fifamoivoizana: Hofanina ireo mpamily fiara vaventy mpitondra solika
Dépêche 26 octobre, 11h, Raha jerena ny zava-misy maro mahakasika ny fifamoivoizana dia matetika hita ny loza ateraky ny fiara vavaenty mpitondra solika. Ho fanatsarana ny fifamoivoizana sy mba hialana amin’izany loza izany dia hofanina sy ho ampiana ny fahaiza-manaon’ireo mpamily fiara vaventy ireo. Ny tanjona amin’izany dia mba tsy hisian’ny lozam-pifamoivoizana avy amin’ny fiara mpitodnra solika intsony. Ny Groupement Pétrolier de Madagascar no mamolavola ity tetik’asa ity ka ireo voakasika rehetra no ahazo tombonyb amin’izany. Atomboka amin’ny famapahafantarana ny karazana solika, ny asa rehetra mifandray amin’ny solika sy ireo asa maika tsy maintsy hatao ary ny fitaterana izany.
