ActualitésTsidika

Voka-pikarohana : Nahavita biriky avy amin’ny taratasy ireo tanora mpikaroka avy ao amin’ny ISPM

Noho ireo zavatra miparitaka sy tsy ilaina intsony eny amin’ny fiaraha-monina eny ireny dia entanina ireo mpikaroka mba hitady ny fikafika rehetra hahafahana mamnodina ireny sy mba hahafahana mandray anjara amin’ny fanadiovana ny tanàna. Izany indrindra no niteraka ity tetik’asa ity. Ny fahita matetika dia ny biriky vita amin’ny tanimanga fa ity kosa dia biriky vita amin’ny taratasy. Tanora avy ao amin’ny sekoly ambony ISPM Antsobolo no nahatafavaoka izany. Mbola filàna manan-danja amin’ny Malgasy maro izany biriky izany ka mbola tena ilaina amin’ny foto-drafitr’asa maro.

“Taratasy “recyclé” no mamaritra ny 30% ny akora nampiasaina hanamboarana ity biriky ity. Ny tanjonay tamin’ity moa dia ny hametra ny fanimbana ny rivotra iainana izay ateraky ny fandorana biriky. Izany hoe fiarovana ny tontolo iainana”, hoy ireo mpianatra, tompon’ity tetik’asa ity.

“Manan-danaja amin’ny Malagasy izany manangana trano izany, ireo efa tena azo lazaina ho manambola no manamboatra trano amin’ny “beton” fa ny sarambabem-bahoaka dia mampiasa biriky. Tsy mena-mitaha amin’izany ity biriky ity satria mahazaka zavatra mavesatra izy, mahazaka fiovaovan’ny toetr’andro ihany koa”, hoy hatrany ny fanazavana.

Raha samy mandefa saina avokoa fa azo hampiasana amin’ny zavatra maro ny vokatra iray dia ho anisan’ny mandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny tsirairay izay manao izany. Manana adidy amin’izany avokoa manko ny olom-pirenena tsirairay ary fikarohana tahaka izao no tena tadiavina betsaka eto antanindrazana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire