Masindray: Mitohy ny fanazaran-tena ho an’ireo fandaharam-potoana amin’ny lalao baolina kitra ao amin’ny klioban’I Buffalo
Mitohy hatrany ny fanazaran-rena izay hataon’ireo mpilalao baolina kitra ao amin’ny klioban’I Buffalo ao Masindray. Mikendry ny hahazo vokatra tsara izy ireo amin’ireo lalao izay handraisany anjara ary tsy mikely soroka amin’ny fanaovana ny fanazaran-tena izay hatao isaky ny alarobia sy ny zoma.
“Ny fandaharam-potoana amin’ity herinanadro ity aloha izany dia ny tahaka ny mahazatra izay misy ny fanazaran-tena ho fanomanana ireo lalao any amin’ny ligy isan-karazany. Androany alarobia, amin’ny 02 ora tahaka ny mahazatra ny fanomanan-tena eny amin’ny kianja Ambohijanaka ho an’ny sokajy u8-10-13-15-u17 challenge Orange, ary eny Masindray kosa ny an’ny sojaky u10/u13/u20, izay fanomanana ny lalao amin’ny sabotsy (Ligy taninketsa) sy ny fanomanana ny U17 challenge Orange sy ny andron’ny alahady ihany koa” hoy ny tomponandraikitra.
“Maro ireo lalao mbola ho hatrehina ho an’ny ekipa tsirairay ka tsy maintsy mandeha ny fampianarana, fanomezana ireo teknika any anaty fanazaran-tena. Tsy tokony hatao ambanin-javatra izany raha mitady voka-dalao tsara” hoy ny mpanazatra.
Ilaina ny fanomana-tena ho fihatrehana ny lalao isan-karazany. Ny fanaovana fanatanjahan-tena ihany koa dia tsy tokony hatao ambanin-javatra. Tsara raha mbola kely ny ankizy dia efa hampidirina anaty klioba hahafahany mamolavola ny sainy sahady ho tia fanatanjahan-tena.
Manitra Ramanantsoa
