Ankazomanga: Jiolahy iray andeha hanao ny asa ratsiny saron’ny Polisy.
Dépêche 21 octobre, 15h, Faritra amin’ny asan-jiolahy iny faritra Ankazomanga sy 67ha iny rehefa manomboka arivariva ny andro, indrindra moa fa ny alina. Nanao ny fisafoana ny tanàna ireto Polisim-pirenena ireto no nahatratra tovolahy iray miaraka amin’ny sabatra lava lela andeha hanao ny asa ratsiny. Alina vao amin’ny 10ora no nisehoan’izany raha iny izy andeha hanao ny asa ratsiny miaraka amin’ny namany iny. Niezaka nitsoaka moa izy ka voatery tsy nampiasa hery ireo mpitandro ny filaminana ka niafara tamin’ny fitifirana izay namoizan’ity jiolahy ity ny ainy. Mitohy kosa ny fikarohana ireo namany hafa.
