Ankadikely Ilafy: Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo klioba handray anjara amin’ny Open challenge 2022
Efa misokatra amin’izao fotoana izao ny fisoratana anarana ho an’ireo klioba te handray anjara amin’ny “Open challenge 2022” izay atao ao ao amin’ny kianja Fifankatiavana, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.
“Misokatra ho an’ny klioba rehetra te handray anjara ny fifaninana. Marihina fa arahina droit d’engagement ny fanoratana anarana ary voafetra ny toerana ho an’ny mpandray anjara” hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.
“Ny sabotsy 22 oktobra izao, amin’ny 09 ora maraina ny fizarana isam-bondrona sy ny fandoavana ny vola rehetra sy ny fakana ny bordereaux ka tokony hiomana amin’izany avokoa ny tsirairay. Ho an’ireo mila fanazavana fanampiny moa dia afaka manantona ny tomponandraikitra manontany na miantso” hoy hatrany ny tomponandraikitra.
Lalao fifaninana baolina kitra efa fanao ao amin’ny kaominina ny open challenge. Ilaina ny fanohanana ireo ekipa na avy amin’ny mpanohana izany na avy amin’ny mpijery mba hampiainana sy hampisy fy ny fifaninana.
Manitra Ramanantsoa
