Ambohimanambola : Hetsika fanaovana vaksiny Antirabique ho an’ny saka sy alika
Hisy ny fanaovana vaksiny “antirabique” ho an’ny saka sy ny alika, izay atao maimaimpoana, manomboka ny faha 24 ny volana oktobra ka hatramin’ny 27 oktobra ho avy izao, eny anivon’ireo fokotany ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ho an’ireo izay liana amin’ny hetsika, araka ny voalaza, dia misy ny fanoratana ny isan’ny biby izay atao vaksiny eny anivon’ny fokontany tsirairay hatramin’ny androany alakamisy faha 20 oktobra.
“Ny fanaovana vaksiny ny biby fiompy, saka sy alika, no fiarovana ny fahasalaman’ny tsirairay. Tsy tokony atao ambanin-javatra ny fikarakarana na ny fanaovana vaksiny ireny biby ireny” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny fokontany gara.
“Fotoana tokony hanararaotan’ireo manana alika sy saka ny hetsika maimaimpoana tahaka izao. Raha jerena ny saran’ny fanindronana alika eny amin’ireo toera-pitsaboana ho an’ny biby, tena efa lafo ny manindrona azy ireny” hoy I Sitraka, mponina ao Ambohimanombola.
“Ao anatin’ny fikarakarana ireny biby (saka sy alika) ireny, izay tokony ary tsy maintsy ataon’ny mpiompy ny fanaovana vaksiny, hiarovana azy amin’ny aretina isan-karazany, fa indrindra hiarovana ny olona mifanerasera aminy sy raha manaikitra ireo biby” hoy I Tojo, mpiompy alika.
Fotoana tokony hanararaotana, hitondrana ireo biby sakaizan’ny olombelona araka izany io hetsika io. Anisan’ny mampihena ny aretina haromontana, izay azo avy amin’ny kaikitry ny saka sy alika ny fanaovana vaksiny ho an’ny biby ka tsy tokony atao ambanin-javatra.
Manitra Ramanantsoa
