Actualités

Avadrano : Fandaharam-potoana amin’ny fahatapahan-jiro 17 oktobra 2022

Araka ny vaovao izy nolazain’ny avy eo anivon’ny jirama mahakasika ny fahatapahan-jiro, izay mandritra ny efatr’andro. Nanomboka  ny sabotsy lasa teo ary mbola hitohy hatramin’ny rahampitso talata izany. Ho an’ireo kaominina ato amin’ny distrikan’avaradrano, ny tapak’andro hariva, amin’ny ankapobeny no hisehon’izay fahatapahan-jiro izayn ho an’ny andron’ny anio alatsinainy.

Manomboka amin’ny 04 ora hariva ka hatramin’ny 09 ora alina, ny fokontany Ankadindratombo, Ambohimangakely, ASCENA (Andranovelona), Ambatomitsangana, Radio Nederland, Ambohipeno, Betafo, Amoronakona, Kianja, Ankosirano, Ambovonkely, Masombita ,Akamasoa, Betsizaraina no hisian’ny fahatapahana.

Manomboka amin’ny 05 ora ka hatramin’ny 08 ora alina, ny fokontany Ambohidrazaka, Le Hintsy, Station Bypass, Alasora, Mendrikolovana, Ambodivondava, Samboranto, Tsilazaina, Masindray, Ankadinandriana.

Manomboka amin’ny 05 ora ka hatramin’ny 09 ora alina, ny fokotany Belanitra, Ambohibary, Anosiarivo, Ambohimanga, Ambonjobe, Ambodifahitra, Ambohidrabiby, Ambatomanjaka, Ampahidralambo, Talata Volonondry, Avaratsena, Ambolo, Ankorombe, Ambohitrolomahitsy, Ambohimanarivo, Ambohibao, Ambatovinaky , Andrimpamaky, Antsahalalina, Atsimotsena, Ambohitsoa, Ifalimanjaka, Ambohitrarahaba, Analamahitsy

Mbola hitohy hatramin’ny rahampitso moa ny fahatapahan-jiro, araka ny fandaharam-potoana izay omen’ny orinasa jirama. Entanina anefa ny tsirairay mba samy hiomana ho amin’izany avokoa, amin’ny lafiny rehetra.

Laisser un commentaire