France : Atomboka ny taona 2024 ny tetikasa « MaPrimeAdapt »
Nisy ny dinika nifantohana tamin’ny toekaren’ny zokiolona ao Paris. Nanambara ny minisitra misahana ny tanàna sy ny fonenena, Olivier Klein manoloana izany fa hametraka tetikasa fanampiana vaovao atao hoe « MaPrimeAdapt » izy ireo miaraka amin’ny Sampan-draharaham-pirenena momba ny trano fonenana.
Fanampiana hampifanarahana ny trano fonenana amin’ny fahanterana ny « MaPrimeAdapt ». Entina hanavaozana ny angovo sy ny trano ho mora hiazoana (accessible) kokoa izany. Ireo olom-pirenena 70 taona no ho mihoatra, manana fidiram-bola antonony na ambany kosa no hisikatra io fanampiana io hoy ny tompon’andraikitra. Marihana fa kasaina ho atomboka ny taona 2024 izao io tetikasa io.
