SocialTatitra

Iran : Mitady ny fomba hamitahana ny sazy napetraky ny amerikana ireo mpilalao jeu video.

Mampiasa tetika isan-karazany hanalavirana ny sazy napetraky ny amerikana ireo mpankafy jeu video ao Iran. Notsetseman’ny amerikana ny harinkarem-pirenena ary matetika voasakana ireo mpilalao jeu video tsy hividy mivantana ny lalao tiany na milalao azy ireo amin’ny Internet. Akaiky ny Kianja Imam-Khomeini, afovoan’i Tehran, napetraka nilahatra tamin’ireo jeu vaovao indrindra ny consoles (filalaovana jeu video) maoderina indrindra toa ny PlayStation 5 an’ny Sony sy ny Xbox Series X an’ny Microsoft. Ao amina toeram-pivarotana jeu video iray toy ny hita any amin’ny toeran-kafa manerantany no ahitana azy ireo. Mijaly ireo mpivarotra ireo arak’izany satria tsy afaka manjifa intsony ireo mpilalao nohon’ny fisian’ny sazy mihatra amin’i Iran. Tsy mikendry mivantana ny indostrian’ny jeu video ireo sazy navoakan’ny filoham-pirenena amerikana teo aloha, Dinald Trump ireo. Nanosika ireo orinasa ao anatin’ity sehatra ity hanaisotra ny tolo-tanana Iraniana. Mbola tsy nekena tamin’ny fomba ofisialy anefa io sazy navoaka tamin’ny taona 2018 io. Sazy mihatra amin’ny rafitra ara-bola no nahazo an’I Iran. Tsy afaka mividy jeu amin’ny Internet raha tsy amin’ny alàlan’ny mpanelanelana ihany izy ireo noho izany ireo mpilalao. Saika ny Iraniana rehetra no tsy manana karatra amin’ny banky iraisam-pirenena mamela ny fifampiraharahana any ivelany. Tsy maintsy mamorona adiresy nomerika sandoka ireo mpilalao mba hamoronana kaonty hividianana na hilalaovana jeu. Tsy latsaky ny 32 tapitrisa amin’ny mponina 80 tapitrisa ny mpilalao jeu ao Iran, araka ny tatitra nataon’ny vondrona iraniana miandraikitra ny jeu video sy ny jeu amin’ny solosaina, izay navoaka tamin’ny volana septambra 2020. Atahorana ho very ny hafainganam-pandehan’ny fifandraisana noho io sazy io.

Laisser un commentaire