Ambohimangakely : Lehilahy nisandoka ho manamboninahitra voasambotry ny zandary
Lehilahy iray 57 taona no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny brigady Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nisandoka ho manamboninahitra miaramila kolonely ity farany, ary efa notadiavina nanomboka ny taona 2021, raha ny voalaza. Tsy vitan’ny misandoka ho kolonely fa nampihorohoro ny mponina teny amin’ny fokontany Fiadanana, Ambohitrombihavana Ambohimangakely ity lehilahy ity.
« Maro ny asa ratsy efa nataon’ity lehilahy ity, ankoatra ireo mampihorohoro sy nisandoka izay fa mbola nisoloky fiara sy vola tamin’olona ihany koa. Noho ny ezaka nataon’ny zandary anefa dia tra-tehaka ihany ity farany, rehefa nokarohina hatramin’ny taona 2021 » hoy ny avy ao amin’ny zandary.
« Tsy mifidy taona, tsy mifidy sokajy ny asa ratsy. Tsy nisy nanam-po hoe olon-dehibe tahaka izao no hahavita hisandoka sy hisoloky. Mila entitra ny mpitandro filaminana amin’ny fanomezana sazy amin’izao tranga izao fa efa tena betsaka ihany koa ireo nitondra faisana » hoy i Fanja, mponina ao Ambohimangakely.
Fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po no nahafahana nanampy ireo fikarohana izay nataon’ny mpitandro filaminana, araka ny voalaza. Manentana hatrny ihany koa ireo farany tsy hisalasala hanatona na hiantso raha misy tranga mampiahiahy hahafahana miady amin’ny tsy fahandriam-pahalemana.
Manitra Ramanantsoa
