10 oktobra : Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana ara-tsaina
Ankalazaina androany 10 oktobra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana ara-tsaina. Andro napetrakin’ny OMS izy io entina hanairana ny sain’ny besinimaro manoloana ny olana ara-pahasalamanan’ny saina ary hanetsehana hery ho an’ny fahasalamn’izany.
Tafiditra ao anatin’ny fahararian’ny saina ny fahaketrahana izany mahazo ny 50% ny mponina eran-tany sy ny « schizophrénie » tsy voatsabo manokana izay mahazo olona 20%. Aretin’ny saina ihany koa ny famonoan-tena izay hamoizana olona 800 000 isan-taona. Anisany hanentanana sy hiadiana amin’ity andro ity avokoa izany.
