France : Toerana miavaka ny « Citadelle de Corte »
Ny « citadelle de Corte » antsoina ihany koa hoe « nid d’aigle » dia « citadelle » tany amin’ny taonjato faha-18 naorina manodidina ny lapan’ny taonjato faha-15 ao Haute-Corse. Voasokajy ho tsangambato manan-tantara io toerana io nanomboka ny 10 aogositra 1977.
Tamin’ny taona 1419 ny « comte » tao Corse sy ny mpanjaka lefitra Vincentello d’Istria no nanapa-kevitra nanangana lapa. Natao teo an-tampon’ny vatolampy niariary tao amin’ny tanàna tao Haute-Corse izany izay eo anelanelan’i Bastia sy Ajaccio. Narahina fanamboarana tamboho rindrim-bato sy tilikambo telo nentina niadiana tamin’ny repoblikan’ny Gênes ho an’ny fanjakan’i Aragon io fananganana io.
Teo anelanelan’ny taona 1421 sy 1434 dia natao tao Corte ny governemantan’ny mpanjaka. Teo anelanelan’ny taona 1962 sy 1982 kosa dia ireo lezionera vahiny no nitoetra tao amin’ny « citadelle de Corte ». Nanomboka ny 1984 vao nisokatra ho an’ny daholobe ny toerana ary toerana misarika mpizaha tany ao Haute-Corse.
