SocialTsidika

Maninona no miaina anaty tahotra foana ny Malagasy ?

Mila ezaka goavana ny ady amin’ny tsy fandrimpahalemana. Miteny ho azy ny tarehimarika mivoaka ankehitriny. Marobe ny isa nomen’ny tompon’andraikitra tatoato. Tsy misy intsony arak’izany ny fanajana ny zon’olombelona fa mampihatra hery avy hatrany ireo mpanao ratsy. Na misy aza ny drafitra mahakasika izany, tsy manakana ny mpanao ratsy tsy hanefa ny asany anefa izany. Maro ny olona no very fananana anatin’ny indray mipi-maso sy matimaty foana vokatr’izany. Misy amin’izy ireny aza mahavita mitsoaka ny fonenany mihitsy vokatry ny asan-dahalo mahery vaika. Miseho amin’ny endrika maro ny tsy fandriam-pahalemana, saika lasibatr’izany avokoa na ny eto an-drenivohitra na ny any ambanivohitra. Anisan’izany ity vono olona feno habibiana tany Betroka kaominina Mahasoa ity. Nodoran’ny dahalo velona tao an-trano izy 9 mianaka niaraka tamin’ny biby fiompiny sasany. Manoloana ny tranga mampalahelo tahaka izao indrindra no tokony hanairana ny sain’ny tompon’andraikitra maro. Misy amin’izy ireny no efa tratra fa mbola mitohy ihany amin’ny fanaony avy eo. Mila hamafisina ny lalàna mahakasika ny fitandroana fahalemana mba hisorohana ny trangan-javatra tahaka izao. Tokony hijerena vahaolana maika ihany koa ny mponina any amin’iny faritra atsimo iny satria mihoroho tanteraka izy ireo vokatr’izany.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire