Chine : « Pieds bandés », fomba hafakely fahiny
Tany amin’ny taonjato faha-10 ka hatramin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20 no nanatontosana ny fomba atao « Pieds bandés » na tongotra miforitra tao Chine. Ny ankizivavy sy ny zatovovavy avy amin’ny saranga ara-tsosialy ambonimbony no natao izy io tany am-piandohana saingy niparitaka tamin’ny sarambabem-bahoaka izany avy eo.
Tany amin’ny fiafaran’ny Dynastie Tang no niandohan’io fomba io rehefa nangataka tamin’ny vaditsindranony hamatotra ny tongony ny amperora mba hanatanterahana ny dihy « lotus » nentim-paharazana. Nanomboka teo dia lasa fanao ny famehezana ny tongotra ary taonjtao iray taty aoriana dia lasa fomba amam-panao ary lamaody izany.
Efa imbetsaka noraràna kosa io fomba io saingy tany amin’ny fiandohan’ny taona 1950 izany vao tena foana tanteraka.
