ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nanatontosa ny ampahany amin’ny fifanarahany i Washington

Nanatontosa sidina an’habakabaka ho an’ny Nasa ny SpaceX omaly. Ny sambon-danitra Crew Dragon no nanainga tamin’izany izay niala tao amin’ny ivo-toeran’habaka Kennedy ao Floride. Olona efatra kosa no nandeha tamin’io sidina io, ny « astronaute » amerikanina Nicole Mann sy Josh Cassada, ilay japoney Koichi Wakata ary ilay « cosmonaute » vehivavy avy ao Russie Anna Kikina.

Tsiahivina fa talohan’ny fifandirana teo amin’i Russie sy Ukraine no efa nifanaraka fifanakalozana astronaute i Washington sy Moscou. Efa nahatontosa ny ampahan’ny fifanarahana i Russie roa herinandro lasa izao tamin’ny alalan’ny fitondrana « astronaute » tao amin’ilay sambon-danitra Soyouz nakany amin’ny ISS. Marihana fa mbola anaty fifanenjanana ara-diplomatika i Russie sy Etats-Unis manoloana ny ady ao Ukraine.

Laisser un commentaire