ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny mpampianatra sy ny mpanabe ny kaominina

Omaly 05 oktobra no nankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny mpanabe. Nanome lanja izany manokany ny tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ka nanao hetsika entina nanamarihana izany. « Ny mpampianatra no antoky ny fanovana ho an’ny fanabeazana » io no tarigetra nentina nankalazana izany nandritra ny omaly.

« Andry iankinan’ny zanaka Malagasy ny mpampianatra sy ny mpanabe, ho tonga tomponandraikitra sy ho reharehan’ny firenena. Mirary soa sy mankahery azy ireo hatrany amin’ny asa masina izay sahaniny » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

« Tsy tokony atao ambanin-javatra ny lafin’ny fanabeazana. Io no mamaritra ny ho avin’ny zanaka malagasy sy ny firenena. Tokony omen-danja mandrakariva ny asa fanabeazana satria io irery no fitaovana afaka manova sy mitondra ny fandrosoana amin’ny firenena iray » hoy i Dina, mpiofana ho mpampianatra.

Anisan’ny misedra olana, marary ny fampianarana raha eto Madagasikara. Hita taratra izany amin’ireo zava-misy hiainan’ny ankizy sy tanora ankehitriny. Raha miandrandra fanovana sy fandrosoana, ny fampianarana sy ny fanabeazana no tokony atao laharam-pahamehana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire