Comores : Te hanamafy ny fampiofanana alohan’ny fitrandrahana « hydrocarbure » ny filoha
Tokony hanomboka amin’ity taona ity ny fametrahana ny « forage » hitrandrahana « hydrocarbures » ao Comores. Nilaza ny filoha ao an-toerana Azali Assoumani fa tsy te hanafaingana ny fitrandrahana « hydrocarbure » izy raha tsy mamafehy ny fahaiza-manao nasionaly amin’io raharaha io.
Mbola ao amin’ny dingana « prospection » ahitana ny « petrole » sy ny entona fandrehatra amin’ireo faitra be « hydrocarbure » i Comores ireo hoy ny filoha. Nanamafy izy fa tsy hanafainganai io tetikasa io raha tsy ampy ny vondron’ny mpanatanteraka afaka mitarika sy mandrindra ary mifehy ny tontolon’ny fitrandrahana.
