Chine : Nahavita 2km ilay « robot » eny amin’ny planeta Mars
Fantatra fa nametrahan’ireo mpikaroka tao Chine « robot » kely antsoina hoe « Zhurong » teny amin’ny planeta Mars herintaona lasa izao. Raha ny fanazavan’ireo mpikaroka dia nahita io fitaovana io fa misy rano eny amin’ny planeta. Heverin’izy ireo noho izany fa nisy fiainana teny amin’ny planeta Mars tany amin’ny arivo tapitrisa taona lasa tany.
Vola tamina miliara Euros maro no nampiasain’i Chine namolavolana io tetikasa io. Nanazava ny mpikaroka tao amin’ny « Académie chinoise des sciences » fa hatramin’ny taona 2021 nahatongavan’ny « robot » teny amin’ny Mars dia nahavita namakivaky 2 km teo ho eo izy ary nahangona angon-drakitra maromaro teny amin’io planeta mena io.
