Diana : Zazavavy kely iray namoy ny ainy vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo
Zazavavikely iray, 5 taona no tratran’ny fanapozinana ara-tsakafo tao Antsako, faritra Diana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Namoy ny ainy avy hatrany ity noho tsy fahazakany ny fihinana fano (soka-dranomasina). Ankoatra azy, olona manodidina ny 50 ihany koa no nanaovana fizahana ara-pasalamana tao an-toeranaary nomena fanafody vonjimaika, izay tao anatin’ny tokatrano miisa fito.
« Efa nisy hatrany ny fandrarana nataon’ny tomponandraikitra mahakasika ny tsy tokony hihinana ireo vokatra an-dranomasina mba hisorohana ny loza tahaka izao. Ny fano ihany koa dia tsy azo hazaina na hanina noho izy ireny mihinana lomotra ka mitera-doza ho an’ny fahasalaman’ny olombelona » hoy ireo teknisinina misahana ny fahasalamana.
« Tokony rehefa norarana dia tsy manandrakandran-doza. Efa fantatr’ireo olona fa mankarary ary mahafaty ny fihinana fano mbola misy sahy minina mihinana ihany ka ireo tsy manan-tsiny no hiaran-doza » hoy i Damien, mponina any Andranovondronana.
Nisy avy hatrany moa ny fandraisan’andraikitra avy amin’ireo solon-tena avy amin’ny sehatra samy hafa misahana ny mponina sy ny fahasalamana tao an-toerana. Na dia izany aza anefa, ny 22 tamin’ireo olona nanaovana fizahana ara-pahasalamana dia manano sarotra ny fitsaboana azy ireo, ary efa nampidirina hopitaly avy hatrany.
Manitra Ramanantsoa
