Cacao : Ireo voka-tsoa entin’ny fihinanana sy fampiasana azy
Hazo avy any Amerika any izy ity, ary miparitaka manerana izao tontolo izao mba hamaliana ny filan’ny olona main’ny cacao. Maro mpitia izy io na ilay vovoka na ilay vaingany, tsy vitsy ihany koa anefa ireo tsy tia azy. Manana tsiro somary mangidingidy mahafinaritra izay izy io rehefa hohanina avy amin’ny fanodinana azy ara-teknika.
Maro ireo tsy tia kanefa dia mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana izy ireny. Tsy ny tsiro irery ihany no raisina amin’ny cacao fa eo ihany koa ireo vokatra ara-pahasalamana azo avy aminy.
Anisan’ny manala havizanana izy io rehefa reraka ny saina na ihany koa tratran’ny rarin-tsaina. Manana hery mampiakatra moraly sy mampiakatra ny fahazotoana amin’ny zavatra hatao izy io. Mananakarena magnésium manko izy, izay singa iray ilain’ny vatana manampy amin’ny tsy fahatomombanan’ny torimaso sy ny stress. Anisan’ny vokatra iray miaro amin’ny aretin’ny fo ihany koa izy io. Noho izy ity manankarena antioxydants dia mamono ny kolesterola ratsy ao anaty vatana izy ary mampiditra ireo kolesterola tsara ho ampiasain’ny vatana ary mandamina ny fiasan’ny lalan-drà ihany koa izy. Tsy izay ihany no entiny ho an’ny vatana fa ao ihany koa ny fiarovana mialoha mba tsy ho voan’ny diabeta, izany hoe mampihena ny tahan’ny mety ho fahavoazana diabeta.
Toy ny zavatra rehetra, ny fihinanana azy be loatra dia miteraka tsy fahasalamana ka ilaina foana ny fandanjalanjana azy. Izay ihany no mila tandremana amin’ny fihinanana azy satria ny caféine ao aantiny dia ambany ka tsy dia atahorana be loatra. Tsara ho an’ny saina, ny moraly ny fo, ary aretina maro samihafa ny cacao ary misy karazany fa anjaran’ny tsirairay ny mijery ny tiany sy mamantatra ny toe-pahasalamany.
Miora Raharisolo
