Antanambao Manampotsy : Mpangalatra taolam-paty tratra, natao fitsaram-bahoaka
Mpangalatra taolam-paty 4 mirahalahy no tratran’ny fokonlona tao Antanambao Manampotsy. Efa ela no nitadiavana ireto jiolahy ireto noho ny halatra taolam-paty miseho lany ao an-toerana ka izao tratra izao.
Noho izay fotoana ela nitadiavana azy ireo izay dia tezitra ireo mponina ka niharan’ny fitsaram-bahoaka ireto jiolahy vokatr’izany vokatr’izany. Tratra ny telo tamin’izy ireo ka novonoin’ny fokonolona taorian’ny nanontaniana azy ireo ny mpandraharaha mpandray ireny taolam-paty ireny. Votsotra kosa ny iray, ary mbola hifampitadiavana. Nirohotra nankany amin’ny tranon’ilay mpandraharaha ny fokonolona ka vaky nandositra ity farany noho izany.
« Tsy sanatria miaro ny mpanao ratsy izahay fa ny fitsaram-bahoaka dia voararan’ny lalàna ka noho izany dia tsy maintsy miezaka mandamina ny vahoaka izahay mba tsy hampitombo ny aina very sy ny rà latsaka indray », hoy ny kaomandin’ny Zandarimaria any an-toerana. Matetika dia noho ny tsy fahatoksiana ireo mpitandro filaminana sy ny fitsarana no miteraka itony fitsaram-bahoaka itony. « Miaina anaty tebiteby izahay satria ohatran’ny tsy miara-miasa aminay n yeo anivon’ny mpitandro filaminana, tsy aleonay ve izay tratra dia vonoina amin’izay mba mihena ny mpanao ratsy sady anatra ho an’ny ao aoriana ihany koa », hoy i Hanitra, mponina ao Antanambao.
Sarobidy amin’ny Malagasy izany hoe taolam-balo izany, maro anefa ireo mpangalatra ka izany indrindra no tsy haneken’ny Malagasy izany fihetsika izany. Ireo no tratra fa mbola maro ireny, matoa misy ny mpangalatra dia misy ny mpividy, ka izany indrindra no ilaina fanadihadiana lalina.
Miora Raharisolo
