ActualitésTatitra

Kenya : Samy mandrora eo amin’ny zaza vao teraka daholo ny vehivavy

Samy manana ny fomba amam-panao mampiavaka azy tokoa ny firenena. Raha hosoran-dreniny menaka ny zaza vao teraka eto Madagasikara, dia voasasa amin’ny rora izy ireo ao Kenya.

Vao teraka ny zaza ao Kenya dia tsy mbola misy mahazo mandray raha tsy efa voadio tamin’ny rora. Mifandimby mandrora io zaza io avokoa ny vehivavy rehefa manatrika ny nahaterahany eo, ary koa mandrora azy ao am-bava.

Raha ny fanazavana dia entina hanamafisana ilay zaza sy hanatsarana kokoa ny fidirany eo amin’ny fiaraha-monina no antony anatanterahana io fomba hafakely io.

Laisser un commentaire