ActualitésTsidika

Alasora : Nanolotra fitaovana fanadiovana ny tanàna ny taxi kaominaly

Nanolotra fitaovana entina hanadiovana ny tanàna ny taxi kaominaly avy ao amin’ny kaominina Alasora. Ny alarobia lasa teo no nanoloran’izy ireo ny kaominina izany fitaovana izany toa ny kifafa, ny antsim-bilona, ny angady, ny fandraofana fako.

« Ilaina tokoa ny fifanomezan-tanana amin’ny ezaka fampandrosoana sy fandaminana ny tanàna, manomboka any amin’ny sehatra ifotony ka hatrany amin’ny fanatanterahana foto-drafitr’asa goavana. Ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka dia afaka mandray anjara sy manome tanana ho an’ny fampandrosoana avokoa » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

« Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy hoy isika malagasy ka dia hisaorana ireo tomponandraikitra nanolotra izany. Ny fikolokoloana sy fanajana ireo fananana no zava-dehibe » hoy i Tanjona, mponina ao Alasora.

Ankoatra izay, eo amin’ny lafin’ny fifanomezan-tanana sy fifanampiana izay, mbola maro ireo sehatra tokony ho jerena sy ilàna tanana ao anatin’ny kaominina, indrindra ny mahakasika ny sehatr’asa fivelomana eny ifotony toa ny resaka fambolena sy ny rano izay tokony ho jerena akaiky ihany koa.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire