ActualitésTsidika

Manandriana : Nisy ny fitsidihana ireo « borne fontaine » tao amin’ny kaominina

Nisy ny fitsidihana ireo « borne fontaine » izay notarihin’ny ben’ny tanàna tao amin’ny kaominina Manandriana, Avaradrano, ny marainan’ny talata lasa teo. Ny fanatanterahana ny fametrahana ireo paompin-drano ireo ny tetik’asa, izay novatsian’ireo fikambanana iraisam-pirenena sy ny avy eto an-toerana ary ny Jirama.

« Tokony hisitraka rano fisotro madio avokoa ny mponina, indrindra fa ny any amin’ireo kaominina ambanivohitra. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana tetik’asa sy foto-drafitr’asa mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina, toa ny fametrahana paompin-drano, ny fanomezana rano fisotro madio tsy tapaka satria mila izany na ny olombelona na ny biby na ny fambolena » hoy i Andry, teknisianina amin’ny rano.

« Ny fanaraha-maso ireo asa napetraka no tena zava-dehibe. Maro amin’ireo tontolo any ambanivohitra no manana paompin-drano (borne fontaine) isaky ny kihon-dalana, ny ankabeazan’izy ireny anefa tsy mandeha, noho ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso sy ny fikarakarana » hoy i Ando, mpiserasera momba ny rano.

Tompon’andraikitra ambony avy any amin’ny faritra ihany koa dia tonga nitsidika, nijery ny zava-misy ary nifampizara traik’efa tamin’ny mpisehatra ao anivon’ny kaominina nandritra izany. Hirariana moa ny hitohizan’ny fiaraha-miasa hatrany mba ho hisian’ny fampandrosoana eny ifotony.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire