ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Manao antso avo ireo mponina noho ny fahasimban’ny lalana rarivato

Manao antso avo ireo mponina, mpampiasa ny lalana rarivato ao anatin’ny kaominina Sabotsy Namehana noho ny fahasimban’ny lalana amin’izao fotoana izao. Voalaza fa ny fandehanan’ireo fiara lehibe, amin’ny lanja mihoatra amin’ny tokony ho zakan’ity lalana ity, mitatitra ny vokatra avy ao an-toerana no mampitombo ny fahasimbana izay efa hita amin’ny sisin-dalana.

« Potika ilay lalana, rava ilay rarivato, manomboka miala sy miotsaka ireo rarivato amin’ny sisin’arabe. Raha mitohitohy kely ka tsy misy ny fandraisanandraikitra mety ho sahirana ny mponina sy ireo mpampiasa ny lalana rehetra. Indrindra fa ireo mpamboly satria ho sarotra ny fifamezivezena noho ny lalana » hoy i Lalao, mponina ao Sabotsy Namehana.

« Ny tsy fanajana ny fananana iombonana no anisan’ny antony voalohany mahasimba ny lalana. Misy ny fenitra sy fepetra tokony arahin’ireo mpampiasa lalana indrindra eo amin’ny fanajana ny lanja sy ny vesatry ny fiara mpampiasa ny lalana » hoy i Safidy, mpiofana ho teknisianina amin’ny lalana.

Ny fiarovana amin’ny fihitaran’ny fahasimbana no tokony ho jeren’ireo tomponandraikitra izao lalana izao. Eo ihany koa ny fanaraha-maso akaiky eny ifotony satria izay tsara fiomanana no tsy ho tapohan’ny loza raha amin’izao olana vao mamomboka amin’ny fahasimbana izao no jerena.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire