ActualitésTsidika

Ambohimahasoa : Ravan’ny polisy ireo tamba-jotran-jiolahy mpamaky trano sy mpanaparitaka vola sandoka

Ravan’ny polisim-pirenena ao Ambohimahasoa ireo tambazotran-jiolahy mpamaky trano, mpangaro-paosy, ary mpanaparitaka vola sandoka. Lehilahy anisan’ny efa ela, nikoizana tamin’ny asa ratsy, famakiana trano ary efa mpamerin-keloka ny iray tao anatin’izany. Nisy ihany koa ny tambazotran-jiolahy hafa mpangalatra sy mpanaparitaka vola sandoka ary ireo mpangaro-paosy sy tonta kely.

« Tsy mifidy tarehy intsony ny mpanaoa asa ratsy ary miandahy miambavy izy ankehitriny. Mila paik’ady matanjaka sy lalàna vaovao famaizana no mety hanafoana ny asan-jiolahy » hoy i Hasina, mpianatra lalàna.

« Manao izay azony atao ny mpitandro filaminana manoloana ny fahamarohan’ny asa ratsy amin’izao fotoana izao. Misy hatrany ny ezaka amin’ny fametrahana paik’ady mahomby. Averina foana ihany koa fa ny fiaraha-miasa eo amin’ny mponina, olon-tsotra sy ny mpitandro filaminana no manamora ny fanenjehana ny mpanao ratsy » hoy ireo mpitandro filaminana.

Na misy aza ny sazy, mbola misy hatrany ihany koa ireo tsy mety fay amin’ny fanaovana asa ratsy. Inona no tena olana ? Inona no tena tsy ampy ka mahatonga ny tsy fandriampahalemana miseho lany eto amintsika ?

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire