Ambohimangakely : Hifarana rahampitso ny hetsika SSMAF
Hifarana rahampitso Alakamisy 29 septembra ny hetsika SSMAF, izay hetsika nokarakarain’ny BTC nanomboka ny volana jolay iny. Naharitra telo volana ny hetsika, izay nampandraisana anjara tanora sy mpanatalenta maro tamin’ny alalan’ireo hetsika toa ny parkour, slam, humour ary ny échecs.
« Ato anatin’ny fikarakarana tanteraka ny hetsika famaranana ny SSMAF ny eto amin’ny BTC amin’izao fotoana izao. Isaorana feno ireo rehetra nandray anjara hatramin’ny fanombohana ny hetsika. Hisy ny fanomezana fankasitrahana ireo rehetra nandray anjara tamin’izany ary mbola ho ravahina mpanalenta hatrany amin’ny stand up sy Slam ny fotoana famaranana io » hoy i Tata, tomponandraikitra ao amin’ny BTC.
« Anisan’ny mamporisika ny olona anak’iray hanao zavatra tsara ny fanohanana sy ny fanomezan-danja ny sehatra fanehoana ny fahaizana aman-talenta. Ny fahalalahan’ny sehatra tahaka izao, hanomezana sehatra ny tanora no tokony tohizana hatrany » hoy i Narindra, mpilalao teatra.
Sady fialamboly ho an’ny mpijery sy ny mpanohana no fanosehana ny mpanatalenta hirona be be kokoa any amin’ny fahaiza-manao ny hetsika toa izao SSMAF izao. Hirariana ny hisian’ny hetsika hatrany mba hanamarika ny tantara, indrindra hamoaka mpanatalenta ho reharehan’ny mpiray tanindrazana.
Manitra Ramanantsoa
