Myanmar : Voatsindry mafy ireo miaramila.
Niditra an-tsehatra namaha ny olan’I Birmanie ny Etazonia sy ny fikambanam-be eoropeana ny talata 23 febroary. Voaporitra tanteraka ireo miaramila sy ny ao amin’ny tafika Birmana tompon’andraikitra tamin’ny raharaha fanonganam-panjakana 3 herinandro lasa izay. Niteraka korontana sy savorovoro tao Birmanie ny fisamborana tsy nisy fanazavana an’I Aung San Suu Kyi. Mbola mitaky ny amohana azy hatrany ireo mponina. Efa betsaka ny fanapahan-kevitra noraisina manolona izany saingy tsy mahasakana ireo mpanao fihetsiketsehana velively. Ny alin’ny alatsinainy 22 febroary, hampihatra sazy amin’I jeneraly Maung Maung Kyaw, lehiben’ny tafika an’habakabaka Birmana sy I Moe Myin Tun ny Etazonia. Efa nisy ihany koa ny fanambarana mitovy amin’izay nataon’I Washington, 10 andro lasa izao. Maro ireo manam-boninahitra Birmana voasaringotra amin’ity raharaha fanonganam-panjakana teo Birmanie ity, anisan’ny iharan’ny sazy ihany koa ny jeneraly Min Aung Hlaing, lehiben’ny tafika Birmana.
