Ankadikely ilafy : Nirotsaka nanadio lakan-drano ny kaominina
Nirotsaka nanao ny asa fanadiovana ny tanàna sy ireo lakan-drano ireo ekipa eo anivon’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsy mikely soroka tokoa izy ireo amin’ny fanaovana ezaka, ary miasa tsy mijanona ho tombotsoan’ny be sy ny maro.
« Tsy mitsahatra ny manao ezaka ho fampandrosoana ny eny ifotony amin’ny famaliana ny hetahetan’ny mponina indrindra amin’ny fanalana ireo loto manentsina ireo lakandrano ireo ekipa ao amin’ny kaominina, anisan’ny antoka ho an’ny fahasalamam-bahoaka ihany koa ny fahadiovan’ny tanàna ka tsy tokony hatao ambanin-javatra » hoy ireo tompon’andraikitra.
« Tsy tokony hiandry ny tomponandraikitra vao hahalala madio ny vahoaka. Tokony ahetsika ireo vaomiera isan-karazany misy ao anivon’ny kaominina mba hanara-maso ny fahadiovana eny ifotony, ary indrindra hametraka sazy ho an’ireo tsy manaja izany » hoy i Ando, mponina ao Ankadikely.
Manao fanentanana ireo mponina hatrany ny kaominina amin’ny fanajanana ny fahadiovana, indrindra amin’ny fanaparitahana fako sy fandefasana ventin-javatra izay manentsina ny lava-drano. Ny vahoaka ve no tsy ampy fanabeazana araka izany sa tsy ampy ny fampandraisana andraikitra manoloana ny olan’ny fako, ny fanadiovana sy ny fidiovana ?
Manitra Ramanantsoa
